Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Vikaria Episkopaly Afovoany – Niarahaba ny Arseveka nahatratra ny taona 2017

Omaly no nanatanteraka  ny fiarahabana ny aresevekan’Antananarivo nahatratra ny asaramanitra ny kristianina katolika eto amin’ny Vikaria episkopaly afovoany.  Solontena roa isaka ny distrika enina mandrafitra ny Vea no nandray anjara tamin’ny fanafanana ny lanonana. Izany hoe paroasy roa isaka ny distrika. Efa fanaon’ny Ekar ny manaja raiamandreny toy izao isan-taona ho fanomezam-boninahitra sy fankasitrahana azy amin’ny fanoloran-tena manompo ny vahoakan’Andriamanitra. Ny anjaran’ny eto amin’ny renivohitry ny diosezy no tontosa omaly fa ny vikaria atsimo, andrefana, manodidina dia amin’ny amin’ny Alahady 15 janoary 2017 no hanatanteraka ny fanaterana ny jaka ho an’ireo raiamandreny. Marihina fa fetin’ny fianakaviana masina koa amin’io daty io sady famaranana ny jobily faha-95 taonan’ny Seminera zandriny Ambohipo. Nambarany tamin’ny laha-teny izay nataony fa faly izy mahita ny ezaka ataon’ny tsirairay. Ankoatra izany dia nohamafisin’ny Eveka tamin’ny fandraisam-pitenenany ny fahatongavan’ny solontenan’ny Papa François hitarika ny fankalazana ny faha-50 taona ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny fiketrahana masina sy i Madagasikara. Koa hifampitaona eny Mahamasina indray izy ireo handray izany vahiny manan-kaja izany noho io fotoan-dehibe io. Navoitrany ihany koa fa tsapany sy hitany ny fandrosoan’ny vikaria afovoany noho ny firaisankina sy fiombonan’ireo tompon’andraikitra, indrindra ny fanentanana ireo kristianina handray andraikitra. Nofaranany tamin’ny firariantsoa sy ny fanomezan-tsodrano ireo rehetra tonga nanatrika ny fotoana.

 

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre