Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Ranon’Ikopa – Nisy nanapoizina ka nitsingevana ny trondro

Ahitanana karazan-trondro mitsingevana eny amin’ny reniranon’Ikopa tamin’ny faran’ny herinandro io. Misy izany avokoa manomboka eny amin’ny tetezan’Ampasika ka hatreny Ambohitrimanjaka. Miteny ny minisiteran’ny jiro sy ny rano fa tsy azo hanina ireo hazan-dranomasina ireo. tsy azo alaina ary tsy azo hanina ireo ary ireo nihinana dia tokony hanantona toeram-pitsaboana. Hisy fanadihadiana atao ka nahatonga izao toe-javatra izao.

Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatonga ity fahamamoan’ny trondro mitsingevana ity fa heverina ho voapoizina ny rano. Nisy akoran-javatra tsy zakan’ny trondro narotsaka tao matoa nisy ny tranga toy izao. Efa fanaon’ny mpanjono any amin’ny toerana sasany ny ampiasa karazana ravin-kazo entina hamamoana ny trondro. Tsy fantatra kosa anefa izay nisy nandraraka tao amin’ny ranon’Ikopa saingy ny ho fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny mponina no tena atahorana mafy. Nifandrombahana rahateo ny fakana ireo trindro ary azo antoka fa efa niparitaka tamin’nyt vidiny mora teny an-tsena izy ireny ka marobe ny olona no efa nihinana. Raha sanatria ka poizina na akora simika mahery vaika no nisy nandrotsaka tao anaty ranon’Ikopa tao dia ahiana ho loza goavana no haterany.

 

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre