Vous êtes ici :

Jeudi 02 Mai 2024

ombre

Zatra miandry farany !

Eson-teny sy fandrabiana hatrany no ataon’ny tompon’andraiki-panjakana rehefa misy filaharam-be amin’ny fikarakarana taratasy. Anisan’izany, ohatra, ny famadihana ny karatra familiana fiara sy ny taratasin’ny fiarakodia ho biometrika.  Toy izany ihany koa ny famindrana lova tsy misy sazy sady tsy andoavam-bola. « Ny gasy efa zatra miandry farany foana » hoy ny tompon’andraikitra ka tsy mahagaga raha misy ny filaharam-be satria efa hifarana ny fe-potoana vao mifanosika sy mikoropaka. Misy marina ihany io teny io saingy amin’ny ampahany satria matoa ny olona milahatra be dia ilay fe-potoana nomena mihitsy no tsy ampy. Ambonin’izany, mitavozavoza ihany koa angamba ny fomba fiasa ka mampitarazoka ny filaharana. Kamo ny olona hifanosika dia ny eny am-piandohana satria filaharana sy avonavona ary fampifilafilana matetika no hita eny amin’ny sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny. Tsy mampazoto ny vahoaka mihitsy ny miditra biraom-panjakana ka izay no mahatonga ny olona miandry fe-potoana farany, izany hoe tena tsy maintsy samy mamonjy ny filaharam-be.

Marina amin’ny ampahany ilay hoe gasy miandry farany ary manaporofo izany ny mpitondra Fanjakana ambony amin’izao fotoana izao. Toa niandry faramparany mantsy ny mpitondra vao milaza fa vonona ny fepetra rehetra hanatanterahana ny asa fampandrosoana, izay nampanantenaina. Tena efa farany satria 2 taona eo ho eo sisa no fotoam-piasan’ny filoha sy ny fitondram-panjakana entiny. izy ihany anefa no milaza fa tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy ny asa fampandrosoana. Koa raha izany naninona tsy vao nanomboka tamin’ny taona 2014 dia nalefa ny asa rehetra ? Amin’izay fotoana izay mantsy dia azo antoka fa ampy tsara ny 4 na 5 taona hanatanterahana ireo fampanantenana tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra.

Efa tetikadin’ny mpanao politika mahazo fitondrana mihitsy io miandry farany io. Niaraha-nahita, ohatra, ireo volavolan-dalàna tena manan-danja nolaniana teny amin’ny parlemanta fa andro alim-be na ihany koa andro farany amin’ny fotoam-pivoriana hatrany vao voafidy. Toy izany ihany koa ny fomba fanao amin’ny famaritana ny datim-pifidianana. Efa ny fe-potoana farany voafaritry ny lalàna hamoahana ny daty vao avoaka izany eto Madagasikara. Tsy mahagaga raha mandresy hatrany ny kandida tohanan’ny eo amin’ny fitondrana amin’ny karazana fifidianana isan-tsokajiny satria nahavita naka bahana sy niomana mialoha izy ireo. Rehefa tsara fiomanana sy vonona tsara ny antokon’ny mpitondra dia avoaka faran’izay haingana ny daty amin’izay tsy vonona ny mpifaninana. Raha toa kosa ka miahiahy ny tsy handresy ny antokon’ny mpitondra dia ahemotra araka izay mahavonona azy ny datim-pifidianana.

Rehefa tena dinihina izany dia mizara roa ny antony mahatonga ny malagasy tia miandry farany. Voalohany dia fanehoan-kevitra avy amin’ny vahoaka io. Rehefa malaina ny hanatanteraka ny baiko tsy maintsy atao avy amin’ny mpitondra Fanjakana ny vahoaka dia mitaredretra ary tsy manatanteraka raha tsy efa fe-potoana farany. Hita misongadina izany amin’ny fikarakarana taratasy sy ny fijerena ny lisi-pifidianana eny amin’ny fokontany. Ny antony faharoa kosa dia avy amin’ny mpanao politika eo anivon’ny fitondram-panjakana. Tetikady mahomby ny fiandrasana farany vao maka fanapahan-kevitra satria rehefa tapitra ny fe-potoana dia tsy misy azon’ny vahoaka na ny mpanao politika mpifanandrina atao intsony.

Manaporofo ny tsy fisian’ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ary ihany koa ny tsy fahampian’ny finiavana hampanjaka ny mangarahara eto amin’ny firenena ity toetra zatra miandry farany ity. Fanahy inian’ny mpitondra mihitsy ny miandry ny taona farany hitondrany mba hamitana ny sasantsasany amin’ny asa kely mba nataony. Ilaina ireny handresena lahatra ny vahoaka amin’ny praopagandy manaraka.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre