Mahajanga – Maty nisy namono i Flavien mpanao moraingy
Tsy amin’ny faritra iray ihany fa saika efa manerana ny faritra 22 ny tsy fandriam-pahalemana ankehitriny. Fifanandrifian-javatra sa vokatry ny fialonana sa tsy fahazakana resy no namoizan’ny Flavien na Lalavy ny ainy tao anatin’ny fotoana fohy monja, izay mpanao moraingy fanta-daza ao amin’ny Fokontany Antanambao-Sotema any Mahajanga? Nisy lalao moraingy nandraisany anjara tamin’ny alahady hariva lasa teo ka nandresy izy. Araka ny loharanom-baovao dia nody nanatitra ny valin-kasasarany tany amin’ny vady aman-janany izy taorian’ny lalao. Ora vitsy taorian’izay, niera tamin’ny vadiny izy mba hivoaka kely ka nomen-dramatoa alalana. Niandry ela anefa ny tao an-trano fa tsy niverina izy. Omaly alatsinainy maraina dia vatana tsy misy aina intsony no hitan’ny mpandalo tao anaty rano maloto. Eo ampelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.
Farah
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







