Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Faritra Atsimo – Rano riaka no andrahoana sakafo

Tranga tena mampihetsi-po no misy any amin’ny  faritra atsimo. Eny fa na amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao aza dia azo lazaina fa tsy hahavaha ny olan’ny mponina any an-toerana amin’ny fahazoana rano fisotro madio. Ny faritra Tsihombe iny no tena betsaka voakasik’izany olana izany satria na misy aza ny sakafo dia rano riaka na “rano mihandrona” eny amoron-dalana no tovozina andrahoana vary na izay sakafo hohanina. Ireny ihany koa no rano tovozin’ireo mpiandry omby hosotroina mandritra ny tontolo andro amin’ny fotoana andalovan’izy ireo eo rehefa ho any antsaha. Na efa misy aza ny ezaka ataon’ireo vondrona iraisam-pirenena toa ny Unicef sy Water’Aid sy ny maro hafa dia mbola mila ezaka maro izany ary voalohany ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana. Marihina moa fa amin’ny vanim-potoan’ny orana tahaka izao dia mitoka-monina tanteraka ny faritra Atsimo.

S.A

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre