Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Vatobe – 67ha – Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo mpanendaka

Faritra anisan’ny be mpanendaka ary tena tsy azo aleha mihitsy rehefa amin’ny alina ny eny amin’iny 67ha sy ny manodidina azy iny, indrindra rehefa manomboka tsy misy fiara fitateram-bahoaka intsony. Vitsy rahateo ireo taksibe miasa eny rehefa manomboka mody masoandro iny hany ka betsaka ireo olona tratra alina eny. Matetika dia ireny olona mivangongo milahatra sy misisika fiara ireny no lasibatr’ireo mpangarom-paosy. Ankoatra izay, ireo olona mandeha tongotra ihany koa dia tsy ananan’ireo mpanendaka antra mihitsy. Misy mihitsy aza no iharan’ny herisetra sy tsindron’antsy amin’izany. Manoloana izany anefa maro ihany koa ireo voasambotry ny polisy, izay ampian’ny fiaraha-miasa amin’ny olon-tsotra. Ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora alina, izao dia lehilahy mpanendaka sy mpanao sinto-mahery miisa roa eny amin’ny faritra Andohatapenaka sy Vatobe – 67ha iny no voasambotry ny polisy. Antso an-tarobia avy amin’ny olona tsara sitra-po no nahafahana nisambotra azy ireo. Voalaza mantsy fa teo am-panendahana mihitsy izy roa lahy ireo no tratran’ny olona teo amin’ny Vatobe. Mandrapahatongan’ny polisy anefa dia efa voadarodaroka. Ny felaka sy ny daka tamin’izany efa nandeha daholo. Ireo mpitandro filaminana tonga vao nijanona ny fikasihan-tànana. Taorian’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa efa tena ikoizana amin’ny resaka fanendahana amin’iny toerana iny ireo jiolahy ireo fa izao vao tratra. Mbola tratra tany amin’izy ireo moa ny finday vao avy nangalariny. Nalefa eny Antanimora avy hatrany izy roalahy ireo.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre