Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Analakely – Lehilahy roa nifandritahan’ny mpivarotena

Raha ireo zazavavy mpivaro-tena eto an-drenivohitra, na aiza na aiza toerana misy azy no anontaniana momba ny asany dia tsotra no avalin’izy ireo izany : mampanofa tena no ataony fa tsy mivarotra ny vatany velively. Rariny noho izany izy ireo raha hitaky ny vidin’ny hasasarany rehefa nahavita ny asany, toy ny mpiasa rehetra ihany. Misy anefa ireo lehilahy izay tsy miraharaha izany ary mihevitra fa tsy toy ny olona rehetra izy ireny ka azo atao ankilabao. Ny sabotsy alina teo mantsy dia lehilahy miisa roa, izay marihina fa nitondra fiara, no nandeha nanofa vehivavy teny amin’ny manodidina an’Analakely sy Tsaralalàna teny. Raha ny vaovao azo dia nifanaraka vola tamin’ilay tovovavy izy roa lahy ary rehefa raikitra ny adivarotra dia nandeha tany amin’ny toerana hafa izy telo. Rehefa vita anefa izay natao dia tsy hay izay zava-niseho, na nanapa-kevitra ny tsy handoa vola ireto farany na ahoana fa nenjehan’ilay mpampanofa tena. Raha ny nambaran’ireo nanatri-maso dia toy ny handeha hamonjy ilay fiara nandehanan’izy ireo. Teo no nanomboka ny vazavaza sy ny teny ratsy milaza ny handoavana ny volany. Nifandrirotra eraka ny arabe noho izany izy telo ary nanomboka nitangorona ny olona. Ny tsy nampoizin’izy roalahy anefa dia niantso namana ilay mpivarotena ary efa ho folo mahery no indray nisavoritaka tamin’ireo saika hanararaotra. Efa nandeha tamin’izany ny fikasihan-tanana sy ny ompa ary misy mihitsy ireo efa nitoraka kiraro an-dry zalahy. Ny sasany aza nandrahona ny hamotehana ny fiara raha toa ka tsy mandoa vola izy ireo. Tsy nanana vahaolana afa-tsy ny nanolotra ny vola nifanarahana noho izany izy roalahy. Taorian’izany anefa mbola notorahin’izy ireo ny biriky ihany ilay fiara saingy tsy voa.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre