Vous êtes ici :

Dimanche 12 Mai 2024

ombre

Ambohitsoa Ankazolava – Voasambotra ilay mpanendaka sy mpikapoka amin’ny « bois rond »

Manomboka mahazo vahana indray ny kapoka amin’ny « bois rond » eto amintsika raha somary efa nangingina izany teo aloha teo. Raha tsiahivina mantsy dia maro ny olona efa lasibatr’ireo mpanao ratsy tamin’ity resaka kapoka bois rond ity. Raha ny voalazan’ny olona mantsy taloha dia toa hoe misy maniraka ireny olona mahavanon-doza ireny fa mitady sorona. Hatramin’izao anefa tsy mbola nisy afaka nanamarina izany mihitsy fa ny hita dia fanendahana tsotra izao no ataon’izy ireo. Miparitaka eraka ny Nosy io fikapohana amin’ny « bois rond » io ary ny tranga heno farany dia teto Antananarivo ny talata lasa teo. Teny Ambohitsoa – Ankazolava raha ny marimarina kokoa. Ramatoa tratra alina namonjy fodiana no lasibatr’ireo jiolahy tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Raha ny vaovao azo dia nisakelika elo ilay rangahy nanaraka azy ary rehefa tonga tany amin’ny toerana mangingina dia novelesiny tamin’ny « bois rond » in-droa ny lohany. Soa anefa fa nahay niaro tena ilay ramatoa ka rehefa saika mbola hamely fanin-telony izy dia tsy nahavoa intsony ary avy hatrany dia niantso vonjy ilay lasibatra. Nivoaka nijery ny zava-nisy ny olona tamin’izany ka nirifatra nitsoaka ilay rangahy. Voatazona anefa ny vozon’akanjony ka tsy maintsy navelany teo amin’ilay ramatoa. Tavela noho izany ny akanjo mafana sy ilay « bois rond » nampiasan’ilay mpanendaka. Ireo polisy tonga teny an-toerana avy eo no nisava ilay blouson izay nahitana finday iray. Ny ampitson’io ihany dia voasambotra tamin’ny alalan’ny fametrahana vela-pandrika tao amin’ny fonenany i Ndimbizara. Fantatra tamin’ny fanadihadiana natao azy fa efa nigadra noho ny resaka halatra ity rangahy ity. Nilaza ihany koa izy fa fitaovam- piadiana entiny manendaka ity « bois rond » tratra tany aminy ity. Marihina fa efa maro ny fitarainana voarain’ny borigady misahana ny heloka bevava mahakasika ity fanendahana miharo herisetra ity. Raha ny vaovao azo dia natolotra ny fitsarana omaly izy roalahy ka mbola miandry ny didim-pitsarana amin’izao.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre