Vous êtes ici :

Dimanche 28 Avril 2024

ombre

Faritra Alaotra – Ritra tanteraka ny Barazy Sahamaloto sy Bevava

Samy manana ny fanehoan-keviny amin’ny tsy fisian’ny orana avokoa ny mponina rehetra manerana ny nosy. Tsy mbola nisy toy ny tamin’ity vanim-potoanan’ny orana ity tokoa mantsy fa hatramin’izay dia tondra-drano no hita manerana ny faritra maro. Sarotra ny hifanome tsiny amin’nizao toe-draharaha izao satria samy vinan-kevitra avokoa no aseho. Faritra Alaotra, izay sopitry ny vary, ritra daholo anefa ny barazy lehibe any an-toerana. Anisan’izany ny an’i Sahamaloto izay manondraka tanimbary midadasika tokoa. Ny an’ny Bevava ihany koa efa ambany dia ny rano. Misy fiatraikany goavana amin’ny fambolena izao tsy fasian’ny orana izao ka ahiana tanteraka ny tsy hisian’ny vary amin’ity taona ity ka hampiakatra ny vidim-bary. Hatreto aloha tsy misy fepetra raisin’ny mpitondra fanjakana fa dia mijery fotsiny izy ireo. Eto an-drenivohitra aza moa dia lazain’ny tompon’andraikitra fa io tsy fisian’ny orana io no mahatonga ny delestazy isan’andro io. Tsy mba miaina anaty filaminana sy fiadanana ny vahoaka Malagasy fa miha mijaly hatrany.

 

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre