Vous êtes ici :

Lundi 13 Mai 2024

ombre

Faritra Atsimo Andrefana – Nofohazin’ny Cnaps ny faniriana hiaro ny zon’ny mpiasa Ecd

Mitohy hatrany ny fiofanana karakarain’ny Cnaps manerana an’i Madagasikara. Nahazo ny anjarany ry zareo ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Notontosaina tao Toliara ny fiofanana ho an’ireo tompon’andraikitry ny sampana ara-panjakana isan-tsokajiny sy ny tsy miankina nandritra izany.  « Ny loha-dinika tamin’izao fiofanana izao dia naompana momba ny zon’ny mpiasa ary indrindra ireo mpiasa Ecd » hoy ny lehiben’ny masoivoho any Toliary Ramahavita Gabriel.  Nahatonga solontena avokoa ireo distrika sivy mandrafitra ny Faritra. Nahatratra 116 ireo mpandray anjara ary avy amin’ny sampan-draharaha mifandray amin’ny tahirim-pirenena izy ireo.  « Ny mahavelom-bolo anay dia ny fahatsapana fa maro amin’ireo tompon’andraikitra nahazo ny fampiofanana teo aloha no efa miroso amin’ny fanoratana ireo mpiasa Ecd ety anivon’ny Cnaps » hoy Razafindraibe Jean Jacques, Talen’ny fanaraha-maso sy ny fitantanana foibe. Nosoritany fa ahitana ireo mpiasa Ecd ny mpiasan’ny ministera, ny eny amin’ny kaominina sy ny distrika ary ny prefektiora. Betsaka ny olona no tsy mahalala ny zony amin’ny maha mpiasa azy. Misy koa ireo mpampiasa no tsy mahalala na tsy mpiasam-panjakana na miasa ho an’ny fanjakana aza. Betsaka ihany koa ireo olona ireo no tsy mahalala ny asa iandraiketan’ny Cnaps.  “ Tsy fotoana very sanatria fa nahafantarana zavatra maro ny fotoana teto. Anjaranay amin’izay kosa ny mampahafantatra ny norantovina teto mikasika ny zon’ny mpiasa amin’ireo mpiara-miasa indrindra izay voakasiky ny tahirim-pirenena. Ezaka tsy maintsy atao izany fampahafantarana izany » hoy ny mpiandraikitra avy amin’ny sampana misahana ny hetra eto amin’ny Faritra Atsimo andrefana.  Isan’ny niofana tao koa izay lehiben’ny mpiasa ao amin’ny sampam-pitondrana (direction) Tontolo iainana sy Ala. « Taorian’ny fiofanana no nahatsapako fa ampahany ihany amin’ny zon’ny mpiasa no fantatro teo aloha » hoy i Ramatoa Ralaivao Fara Tanteliniaina, mpiofana.

 

Nangonin’i S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre