Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Matsiatra Ambony – Maro ireo mpiasam-mpanjakana Ecd no mitaraina

Maro ny Ecd na ny mpiasam-panjakana mbola tsy raikitra izay tsy misitraka ny zony. Nivoitra koa fa tokony hasiana fepetra manokana ny mikasika ny karaman’ny mpiasa Ecd fa manana olana manokana izy ireo tahaka izany koa ny momba ny latsakemboka arotsaka eny amin’ny Cnaps. Nampiantrano ny fiofanana, karakarain’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy na Cnaps (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale), izay miompana amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny dosien’ny mpiasa ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony. Isan’ny nandray anjara tamin’izany ny sampan-draharaham-panjakana isan-tokony eo anivon’ny faritra ary nanatevina ny mpiofana ny solontenan’ny orinasa tsy miankina.

“Tsy mahafantatra ny vokatry ny fahataran’ny fanaterana taratasy eny amin’ny Cnaps ny mpiasa sy ny mpampiasa izahay” raha fintinina ny hevitra naroson’ireo mpiofana. Aretina iraisana amin’ny sehatra maro samihafa tokoa io.  « Tsy mahafeno ara-potoana sy ara-dalàna ny fanambarana ny filazan-karama na déclarations nominatives des salaires ny mpampiasa ». Vokatr’izay tsy mahafeno ara-dalàna ny antotan-taratasy izay dia lasa miverimberina ny olona na ny mameno azy any ampiasana na izay voairaka hanatitra izany. Nilaza ireo tompon’andraikitry ny vondrom-bahoaka nandray anjara fa mila ampitomboina ny fanampiana omen’ny Fanjakana foibe ho azy ireo ary koa tsy tokony ho tara.  Ny Tahirim-pirenena (Cnaps) sy ny Tahirim-bolam-pirenena dia mila mampitovy ny fomba fiasa eo amin’izy roa tonta. Izany no angatahana dia hanamorana ny famenoana ny dosie. Farany, mangataka ireo mpiofana mba haloa isaka ny volana desambra ny latsakemboka telovalana fahefatra fa tsy ny volana janoary.

 

Nangon’i S.A.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre