Oniversite Andrianjato – Misy amin’ireo mpianatra lasa manao dahalo
Mafy ny fitadiavana asa nefa sarotra ny fiainana. Maro amin’ireo mpianatra no lasa manaonao foana. Vao tamin’ny fiandohan’ny taona teo dia mpianatra maromaro avy ao amin’ny oniversite Andrianjato, Fianarantsoa voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Komandin’ny vondron-tobim-pileovana (Groupement) Anosy ao Betroka. Sambo-belona no nahatratrarana azy ireo taorian’ny fifampitifirana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo izay nangalatra omby fitopolo tao amin’ny tanàna iray 25 km atsinanan’i Betroka. Taorian’ny fakana ambavany nataon’ny manam-pahefana azy ireo no nahafantarana fa misy mpianatra izy ireo ary dia alaim-panahy lasa mirotsaka amin’ny asa fangalaran’omby any amin’ny faritra Atsimo manampy ireo tompon-tany izay efa rain-dahiny amin’izany asa ratsy izany.
S.A
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







