Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Fanendahana eto an-drenivohitra – Dimy lahy indray no voasambotry ny polisy

Tsy mitsahatra miady amin’ ny tsy fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra sy ny manodidina ireo mpitandro filaminana. Tao anatin’ny herinandro izay dia mpanendaka sy mpamaky trano am-polony maro no efa tratra fa na izany aza dia mbola maro tsy voaisa amin’ny tanana ireo olon-dratsy miparitaka eraka ny tanànan’Antananarivo. Vokatry ny ezaka nataon’ny polisy ao amin’ny boriboritany voalohany amin’ny famongorana ny asa fanendahana sy ny sinto-mahery dia mpanendaka miisa dimy indray no tra-tehaka ny alarobia 11 sy ny alakamisy 12 janoary lasa teo teny amin’ny manodidina an’Isoraka sy Soarano.

Ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro dia naharay fitarainana ny polisy ao amin’ny boriboritany voalohany fa voaendaky ny jiolahy enin-dahy teo Isoraka ny zanany. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny findainy ary raha saika hanenjika ilay lasibatra dia voarahona ny hotsindromin’izy ireo ny antsy. Soa ihany anefa fa nisy mpitandro filaminana teny amin’ny manodidina tamin’io fotoana io ka avy dia natao ny fanarahan-dia. Iray tamin’izy ireo ihany anefa no voasambotra ary ny ambiny tafaporitsaka. Io lehilahy antsoina hoe Eddy izay nitsotra fa mpanendaka io no nasaina nanoro ny namany ka  ny 12 janoary no nosamborina tsikelikely tany an-tranony avy ireo namany. Telo ihany anefa no tratra tamin’izany fa ny roa kosa tsy hita izay nanjavonany.

Taorian’ny fanadihadiana no nahafantarana fa efa nisazy ary mpamerin-keloka avokoa izy ireo izay manodidina ny 16 sy 17 taona teo daholo. Fa ankoatra izay, ny alarobia lasa teo ihany dia naharay fitarainana hafa ny polisy fa misy lehilahy voaendaka teny Soarano, tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Rehefa natao ny fanadihadiana sy ny tetika rehetra dia tra-tehaka teny amin’ny manodidina ihany ilay tovolahy 27 taona antsoina hoe Jean André. Nitsotra ity farany rehefa nampifanatrehana tamin’ilay lasibatra fa tena nanendaka ary nivarotra ny findainy 25 000 Ariary teny Ambodin’Isotry. Natao ny fanadihadiana ary nosamborina ihany koa ilay mpandray ny entana halatra. Marihina fa eny amin’ny faritra Anosy eny ity rangahy ity no tena mandripaka.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre