Vous êtes ici :

Jeudi 02 Mai 2024

ombre

Vary plastika – Vehivavy nisakafo teny amin’ny hotely narary mafy

Nalaza ary vao mainka tena mampatahotra ny Malagasy ny vary plastika. Maro tokoa ny olona mitaintaina fatratra, indrindra ireo misakafo eny amin’ny hotely fa sao hihinana ny tsy fihinana araka ny fomba fiteny. Efa betsaka mantsy ireo milaza fa efa tonga eto an-drenivohitra ny vary plastika ary efa varotana eny amin’ny tsena maro mihitsy. Ny ministeran’ny varotra anefa manoloana izany dia mbola mihizingizina fatratra fa tsy misy ary tsy ho tonga eto Madagasikara mihitsy izany vary vita amin’ny plastika izany.

Hatramin’izao rahateo tsy mbola nisy olona sahy nanome porofo ny amin’ny fisian’io vary io. Hatreto izany dia mbola fanontaniana mipetraka ny  hoe misy tokoa ve izy io sa tsaho mandeha fotsiny? Omaly anefa dia vehivavy iray no nilaza fa narary mafy vokatry ny fihinanana vary plastika.

Raha ny nambaran’ity farany dia nisakafo tao amin’ny toeram-pisakafoanana iray teto an-drenivohitra izy ary tsy nahalany efatra sotro akory dia nandoa. Tsy nitsahatra nandoa ilay vehivavy ary tsy maintsy nandeha dokotera. Teo no nahafantarana fa nihinana sakafo tsy ara-pahasalamana sy tsy ara-dalàna izy.

Mbola mandeha amin’ izao fotoana ny fanadihadiana satria tsy mbola tena fantatra na vary be karibonetra no nahatonga ny aretina na tena vary plastika marina. Marihina fa tsy izy irery no narary rehefa nisakafo tao amin’io toerana io.

Nangonin’i Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre