Vous êtes ici :

Mardi 07 Mai 2024

ombre

Fanafihana kamiao – Manao akanjo miaramila ireo jiolahy

Mampametraka fanontaniana hatrany ny nahatonga ireny basy na fanamiana mpitandro filaminana ireny eny ampelatanan’ireo jiolahy. Paikady entin’ireo mpano ratsy hanamorana ny fanakanan-dàlana ataony tokoa ny fampiasana ireny fitaovana ireny. Rehefa mahita ireny mantsy ireo fiara dia tsy maintsy mijanona satria hosavaina taratasy. Eo indrindra ireo olon-dratsy no manararaotra manafika sy mandrahona ary mitaona ny entana lafo vidin’ireo mpandeha. Toy izany indrindra no niseho ny sabotsy lasa teo teny amin’iny lalam-pirenena faha-44 iny. Kamiao vaventy mpitatitra vokatra avy any Ambatondrazaka no voasakan-dalana ny sabotsy lasa teo tany amin’ny tanana iray anelanelan’ny kaominina Ambohidray sy Moramanga. Vao mangiran-dratsy no tonga teny an-toerana ireo mpanakan-dalana roa lahy, tokony ho tamin’ny iray ora maraina raha ny vaovao voaray. Tsy toy ireo jiolahy sasany anefa izy ireto fa nampiasa tetika hafa mihitsy mba hanaovany ny asa ratsiny. Nanao akanjo miaramila sy nitondra basina mpitandro filaminana ireto farany ary tsy misy mihitsy nahafantarana fa jiolahy izy ireo. Raha ny fanampim-baovao azo dia nitondra fiara tsy mataho-dalana tsy nisy laharana nahafantarana azy ireto jiolahy ireto ary nanaraka ilay kamiao avy ao afara. Rehefa nandeha alavidavitra dia nosongonan’ireo jiolahy ilay fiara ary nobahanany teo ampovoan’ny arabe. Voambana basy avy hatrany ny mpamily ary nasainy nivoaka ny fiara. Voakapoka tamin’ny vody basy avy eo ilay rangahy ary ilay jiolahy namany kosa avy hatrany dia nisava ny fiara. Lasan’izy ireo tamin’izany ny lelavola mitentina 8 hetsy Ariary niaraka tamin’ny finday sy ny entana sarobidy tao anaty fiara. Rehefa vita ny nataon-dry zalahy dia niverina tao anaty fiara izy ireo ka nandeha niverin-dalana nitsoaka. Ny zandarimaeria ao Moramanga no misahana ny raharaha.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre