Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Tahirim-pirenena – Niakatra 20% ny fisotron-dronono

Araka ny nambaran’ireo iraky ny Cnaps dia efa nisy lalàna manondro ny fanondrotana ny tahan’ny zo raisina eo anivon’ny Tahirim-pirenena. Ireo tolotra omena dia nahitana fisondrotana daholo. Nambara fa miandry ny didy fampiharana sisa ny Cnaps. Toy ny fisondrotana 100% ny volan-jaza sy 20% ho an’ny fisotroan-dronono. Manana zo manokana ny vehivavy miasa. Vao feno telo volana ny zaza ao an-kibo dia efa mahazo fanampiana amin’ny alalan’ilay atao hoe volan’ny bevohoka. Rehefa tera-bao izy dia misy ny atao hoe volan’ny mpitaiza kely. Misy ho an’ireo vehivavy miasa, ny fanonerana ny vola lany tamin’ny fiterahana. Eo koa ny fandraisan’ny vehivavy miasa ny antsasa-karamany mandritra ny fotoana ijanonany tsy miasa noho ny fiterahana.  Misy koa ny fanampiana omena ireo mpiasa mivantana. Raha sendra misy tsy fahafahany manatanteraka ny asany, raha tratra ny loza vokatry ny asa ny mpiasa voasoratra ara-dalàna iray dia misy fanampiana omen’ny Cnaps, toy fanonerana ny fitsaboana rehetra. Eo koa ny solon-karama isan-karazany vokatry ny tsy fiasana noho ny loza ary ny vidin-takaitra vokatr’ilay loza.

Ankoatra ny “Pension de vieillesse », izay raisina ao amin’ny Cnaps. Misy koa ny fisotroan-dronono ampahany na “pension proportionnelle” ho an’ny vady aman-janaky ny mpiasa efa nisotro ronono raha tojo fahafatesana izy. Vady vita soratra io voalaza eto io ary ny zaza rehetra latsaky ny 21 taona. Raha fehezina dia maharitra mandra-pahafaty ny fisotroan-dronono.  Nisy ny fiofanana nokarakarain’ny iraky ny Tahirim-pirenena tany amin’ny faritra Vatovavy Fito Vinany ka tonga nanatrika izany ireo avy amin’ny Tahirim-pirenena isaka ny faritra.  Fanofanana natao ho an’ireo mpiandraikitra mahefa ary koa ho an’ny tsirairay izay ampanaovin’ny Sampana foibe araka ny tondrozotra nofaritan’ny Tale jeneraly Rabekoto Arizaka Raoul. Ny ampahany voalohany tamin’ny fiofanana dia  nitondrana fanazavana momba ny asa sy andraikitry ny Cnaps, notarihan’ny iraky ny Tahirim-pirenena. Napetraky ny Fanjakana hikarakara ny mpiasa tsy miankina amin’ny fanjakana ny Tahirim-pirenena. Napetraka hiahiay ny mpiasa Ecd ihany koa izy.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre