Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Orinasa Ambatovy – Antsoin’ny mpangalatra gasoil “Omby vavy be ronono” ireo Engin

Ny “”Engin”, na irony fiara lehibe fampiasan’ny orinasa  dia lasa  omby vavy be ronono ohatramin’ny anarana iantsoan’ireo mpangalatra gazoala azy. Mitovitovy rahateo ny vidin’ny iray litatra amin’ny rononon’omby sy gazoala iray litatra any amin’ny varomaizina. Ary dia mitety ireo “Engin” tsirairay mihitsy ny mpangalatra rehefa mitroka izany gasoil izany. Misy amin’ireo mpangalatra no maka vola mialoha amin’ilay mpaniraka ary mampanantena fa tsy maintsy mahita.Toy ny any  amin’ny faritra rehetra dia mirongatra ny halatra gazoala sy tariby eny Tanandava,  Toamasina. Anisan’ny lasibatra amin’izany ny orinasa Ambatovy. Jiolahy miisa 12 no nandroba magazay fitehirizan’entana an’Ambatovy ao Ambodinonoka Fokontany Tanandava ny faran’ny herinandro teo.  Nofatoran’ireo jiolahy ireo mpiambina an’ilay mangazay ary dia nanao izay tiany hatao ireo olon-dratsy. Lasa tamin’izany ny tariby mirefy 50m raha ny loharanom-baovao voaray.  Tafaverina kosa ny tariby 10m izay tsy lasa lavitra fa navelan’ireo jiolahy tsy lavitra an’ilay magazay ihany.

S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre