Vous êtes ici :

Lundi 06 Mai 2024

ombre

Lalana RN2 – Maro ny fiara voatora-bato amin’ny alina !

Mampiteny ny moana ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny Nosy sy ny fiovan’ny toe-tsain’ny Malagasy maro.  Tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo iny, na ny marimarina kokoa ny alin’ny sabotsy lasa teo dia fiara maro no voatora-bato raha nihazo ny lalam-pirenena faharoa mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Teo amin’ny ampahan-dalana manelanelana ny tanànan’ny Beforona sy Brickaville no nitrangan’izany asa ratsy izany ka tao ny vaky fitaratra manoloana na pare-brise, teo ny avy ao afara na ihany koa ny fitaratra amin’ny sisiny. Amin’ny tranga toy itony dia maromaro ny tetika sy tena hevitr’ireo nahavanon-doza. Eo aloha ny tanjona hanajanonana ny fiara ka ho mora amin’izay fotoana izay ny handrobana azy sy ireo mpandeha ao aminy. Ny hafa indray dia ny hanimba tsotra izao ny fananan’olona satria mety tsy manana izy ireo ka tiany hirefarefa toa azy ihany koa ny rehetra. Izay no tonga amin’ny hafatry ny didy folo milaza fa fahotana ny mitsiriritra fananan’olona.

Fa etsy andanin’izany dia eo dia eo tokoa ny tebiteby ateraky ny fahatairana ary mety hisy mihitsy aza ny mitondra takaitra tsy fidiny. Ireto tranga tora-bato ireto dia niseho ny alin’ny sabotsy teo araka ny voalaza etsy ambony ka  maro araka izany no hitandrina tsy hivezivezy intsony amin’ny alina, toy ny nahazatra hatrizay araka ny fitenenana hoe “manao lava alina”. Mazàna anefa ho an’ireo miampita faritany dia amin’io fotoana io avokoa ny safidin’ny mpandeha maro. Raha izao tsy fandriam-pahalemana izao izany no mitohy dia tsy ho ela dia ho faty ihany koa ny fivezivezena manerana  ny nosy amin’ny andro alina. Mazava ho azy fa tsy hiodina ihany koa ireo toeram-pisakafoanana maro manamorona ireny lalam-pirenena ireny ary manome aina mihitsy aza ny toe-karena amin’ireny toerana handalovan’ny zotra nasionaly. Asa raha tsapan’ireo tsy valahara ireo ny vokatry ny asa ratsy ataony kanefa dia mazava ihany koa fa tsy aiza ireny olona ireny fa dia ao anatin’ny fiarahamonina ihany.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre