Vous êtes ici :

Lundi 06 Mai 2024

ombre

Ambolomadinika – Nampandohalihana ora maro ilay mpisoloky tratra

Na eto an-drenivohitra na any amin’ny faritra dia tsy afa-bela amin’ny olon-dratsy isan-karazany mihitsy ny vahoaka. Noho ny hasarotry ny fiainana manko dia nanjary nizotra tany amin’ny lalana tsy izy avokoa ny ankamaroan’ny olona, indrindra fa ireo tsy an’asa ka lasa mampiasa ireo fomba tsy ara-dalàna hitadiavana vola. Anisan’ny toerana malaza amin’ny tsy fandriam-pahalemana ary anjakan’ireo tontakely i Toamasina. Na  efa maro aza anefa ireo olon-dratsy tratran’ny mpitandro filaminana dia betsaka koa ireo mbola mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany. Raha ny vono olona sy ny vaky trano tao ho ao no nalaza dia izao indray ny resaka fisolokiana. Omaly dia rangahy voalaza fa mpisoloky iray no tratran’ny fokonolona tao Ambolomadinika, kaominina iray ao Toamasina. Raha ny vaovao azo dia mpisoloky olona eny an-tsena ity rangahy ity ary tsy vitan’izany fa sady mangalatra entan’olona ihany koa ka ilay olona lasibatra ihany no nahatratra azy. Nilaza izy fa mahita vary mora ary nalainy ny volan’ilay rangahy. Avy hatrany anefa izy dia nitsoaka niaraka tamin’ilay gonim-bary saingy tsy lasa alavitra dia tratra  ny fokonolona. Ny sazy nahazo azy, mba tsy hisian’ny fitsaram-bahoaka dia nasaina nandohalika ora maro teo amin’ny tany izy ary nasiana kodiarana bisikileta efa tonta teo amin’ny lohany. Taorian’izay dia nentina tany amin’ny mpitandro filaminana satria efa nitangorona ny olona sady efa vonona hidaroka azy. Ilay olona niharan’ny fisolokiana koa tsy nanaiky ny hikasihan-tanana azy. Raha ny fanampim-baovao voaray hatrany dia lehilahy anisan’ny efa ikoizana ao an-tanàna io lehilahy tratra io ary efa maro ihany koa ny fitarainana voarain’ny polisy mahakasika ny fisolokiana nataony.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre