Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Fiavian’ny orana any Toliara II – Olona zato mahery no traboina

Iria-mahory tokoa ity rano any atsimo. Efa tamin’ny volana desambra no nanomboka avy matetitetika ny orana, vonto ny tany, faly ny mponina fa afaka mamboly ary tsy mijaly amin’ny fantsakana rano. Saingy tato anatin’ny dimy andro izay dia avy tsy nijanona ary tena nikija ny orana tany Ankilimaliniky, Milagnaka, Tsianisiha, Milenake any amin’ny Distrikan’i Toliara II. Vokany niakatra ny rano, ny tanàna rahateo tsy misy lakan-drano ivoahan’ny rano. Nisy ny olona rava trano tao anatin’izay ary nahatratra 100 mahery ny traboina. Nomena trano vonjy maika ao amin’ny kaominina ireo olona tsy manan-kialofana. Ny mampalahelo dia simba indray ny voly coton, ny fary, sy ny mangahazo noho ity oranam-be loatra ity.

Raha any amin’ny faritra Atsimo indrindra kosa izany hoe any amin’ny faritra Androy sy Anôsy dia misy ireo kaominina tena mianoka tanteraka ao anaty fambolena manararaotra ny filatsahan’ny orana fa misy kosa toy ny any amin’ny faritra Avaratra i Amboasary, toy ny Kaominina Tranoroa sy ny manodidina dia efa ho telo taona izany no tsy nahita orana. Raha misy aza dia eo amin’ny fahefa-kadiny eo ihany ny orana no latsaka ary tsy maha mando ny tany akory. Aty amin’ny faritra avaratry Ambovombe, Antanimora, Isoanala sy Betroka kosa anefa dia efa mandeha ny fambolem-bary amin’izao fotoana izao. Na izany aza mbola miaina tanteraka ao anaty ny fisotroana rano maloto tanteraka ny mponina satria rano riaka eny amoron’arabe no tovozina ka andrahoana sakafo sy sotroina avy hatrany. Na fitaovana fanadiovana rano sotroina aza tsy misy akory. Miady irery ny mponina noho ny faharatsian’ny lalana amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao satria dia matory telo alina an-dalana ny fiara vao tonga any Toalagnaro noho ny fahasimbana matetika, izay tonga miatraika amin’ny fiara lehibe. Marihina fa ireny fiara tsy mataho-dalana sy irony fiara lehibe irony ihany vao tonga any amin’izao vanim-potoana ny asara izao.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre