Vous êtes ici :

Mardi 07 Mai 2024

ombre

Delestazy – Mandrahona hitokona ny vahoaka ao Mahanoro

Mitarazoka ny fandraisana andraikitry ny Fanjakana. Leo delestazy ny vahoaka malagasy. Taorian’ny fanambaràna nataon’ny vahoakan’i Marovoay izay mandrahona ny hanao fitokonana dia nilaza ny heviny koa ny ao Mahanoro.  Manoloana ny hirifiry ateraky ny delestazy diso tafahoatra, nanomboka ny fiandohan’ity volana janoary ity dia tena mampiteny ny moana tokoa raha ny zava-misy ao an-toerana.  Maharitra tapak’andro ny faharetan’izany,  izay manomboka amin’ny 4 ora maraina ka tsy miverina raha tsy amin’ny 6 ora hariva. Vaky taraina noho izany ireo olona mivelona amin’ny seha-pihariana mandeha amin’ny herinaratra. Toy ny tsikaritra any amin’ny faritra maro anefa dia tsapa fa ny faktiora tsy mba misy fihenana fa ny mifanohitra amin’izany no miseho isam-bolana.

Milaza hampiseho ny firaisankinany ny vahoaka manoloana ny zava-misy any an-toerana. Rehefa manampin-tsofina ny Fanjakana dia mampitandrina ny hanao toy ny zava-niseho tany Andapa sy ny tanàna hafa koa ireo mponina.  Mandrahona ny hitokona izy raha ny tatitr’ireto solontenan’ny mponina avy any Mahanoro ireto. Nambaran’izy ireo aza fa hilahatra hitanjozotra ho eny amin’ny biraon’ny Jirama hangataka fanazavana feno sy mitaky ny hamahana izany delestazy izany haingana izy ireo. Tsy nanambara ny ora na andro hipoahan’ny rako-bilany amin’ny hetsika ireto solontenan’ny mponina avy any Mahanoro ireto. “Ny azo antoka, hoy izy ireo, dia tsy ho ela”. Hotaterina eto ihany ny mety ho akon’izany rehetra izany.

 

Nangonin’i S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre