Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Isandra – Dahalo 50 lahy nangalatra omby miisa 06

Tsy misy fitsaharany ity halatr’omby manerana ny nosy ity. Tena very fanahy mbola velona ny Malagasy eo antrehan’izany. Tsy hihary, satrotra ny hipetra-potsiny satria tsy hisy hanome maimaimpoana ary tsy misy ny ariary zato am-pandriana fa ny hatsem-bohana ihany no ihinanana. Manoloana ny fanafihan-dahalo izay tsy mifidy halaina anefa dia ketraka ny maro satria hisasatra mba hotavanin’ireo tsy mataho-tody fa tsy holovain’ny taranaka. Ny alahady 15 janoary lasa teo tamin’ny 6ora hariva na tamin’ny maty masoandro  àry dia dahalo 50 lahy mahery no tonga nanafika tao amin’ny tokantrano iray tany Filemahana, fokontany Ambodisatrana, any amin’ny kaominina ambanivohitr’Andremalama, distrika Isandra, ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Lasan’ireo malaso tamin’izany ny omby miisa 06. Nitsoaka nihazo ny faritr’Isaka izy ireo nitondra ny omby. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra tamin’izao fanafihana izao. Efa eo ampelatanan’ny borigadin’ny zandarimaria any an-toerana ny raharaha ary efa nampandrenesina avokoa ireo mpitandro filaminana ao Andremalama sy ny manodidina.

 

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre