Vous êtes ici :

Mardi 07 Mai 2024

ombre

Ambositra – Naharitra herinandro ny fanafihan’ny dahalo

Raha ny tsy fahampin-drano no tena mampanahy ny vahoakan’Antananarivo dia ny fanafihana mitam-pihadiana tsy mety mitsahatra no tena mampahory ny mponina ao amin’ny faritra Amoron’i Mania.  Manjaka tokana ny jiolahy ao amin’iny faritra iny ary mihorohoro andro aman’alina ny vahoaka. Efa nanomboka tamin’ny fetin’ny faran’ny taona, araka ny vaovao voaray, no efa nisesisesy ny fanafihana tao an-toerana. Toeram-pivarotana sy tokantrano maro tamin’izany no lasibatr’ireo dahalo ary tsy nisy niangana avokoa na vola na entana sarobidy tamin’izany. Tsy vitan’ny naka ny tsy azy anefa ireo olon-dratsy fa sady nikasi-tanana no namono ireo tompon-trano ary indraindray aza dia mametaveta ny zanaky ny tompon-trano mihitsy. Amin’izao dia mbola tsy milamina ary vao mainka manafay ny mponina mihitsy ireo jiolahy efa nanomboka tamin’ny alatsinainy 5 janoary lasa teo. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia fanafihana tsy latsaky ny 5 no niseho tao amin’ny distrikan’Ambotsitra nandritra ny tapa-bolana. Raha tao amin’ny kaominina Ivato Centre manokana izao no asian-teny dia nanomboka ny 5 ary nitohy ny 9, 11 ary 15 janoary ny fanafihan-dahalo. Mirongo basy mahery vaika ireo olon-dratsy ary mandripaka izay tratrany, raha ny filazan’ny mponina. Raha ny vaovao voaray mantsy dia mitety tanàna mihitsy ireo dahalo ireo ary milaza fa tsy matahotra mpitandro filaminana mihitsy. Fokontany Ambohipanalinana sy Amindrazaka hatreto no tena lasibatra ankoatra ny fokontany Ankotsaka izay efa tratra taloha kelin’ny fetin’ny krismasy iny.  Tsy afa-manoatra ny vahoaka nefa very daholo ny omby. Ireo zandary anefa manoloana izany dia tsy afaka manao na inona na inona, matahotra mifanandrina amin’ireo dahalo satria mafy ody izy ireo no mbola mirongo basy mahery vaika toy ny kalaky  avokoa. Mandeha ihany koa ny feo fa miantoka ny bala hitifiran’ny dahalo ny zandary. Raha ny voalaza hatrany dia efa fantatra avokoa ireo tanora manao ny asan-dahalo, tsy misy sahy misambotra anefa noho ny fahatahorana valifaty.

Ra Tax.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre