Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Lalana mihotsaka eo Tanjombato – Atahorana hiteraka lozam-pifamoivoizana

Amin’izao fotoana izao, na mbola tsy avy akory aza ny orana dia efa manomboka simba avokoa ny lalana eto an-drenivohitra, indrindra fa ireo namboarina  vao haingana. Anisan’ireo lalana efa ela nahasimbana anefa tsy misy miraharaha mihitsy iny lalana eo amin’ny fasika mankany Tanjombato iny. Mihotsaka tsy misy ohatra izany ny tany eny an-toerana ary efa mikoaka tsikelikely ny arabe mihitsy aza izany. Tsy maintsy maka ampovoany noho izany ireo fiara izay mandeha eo amin’iny toerana iny ary vao mainka tena miteraka fitohanana. Tsy izany ihany anefa fa efa maro ireo fiara efa saika nitsoraka tao anaty rano, indrindra ampian’ny fisian’ny fasika izay varotan’ireo mpivarotra eny an-toerana. Biriky sy vato ary tany miangona mantsy taloha no mba nanankonana an’io lavaka io, amin’izao efa niala ny sakana ary efa nanjary babangoana ny lalana. Atahorana noho izany ny mety hampihotsaka ny lalana ary hampilatsaka fiara ao amin’ny ranon’Ikopa. Ahoana tokoa moa raha amin’izao Ikopa ritra izao no misy fiara latsaka ? Manaitra hatrany ny tompon’andraikitra mahefa mba hijery faran’izay haingana io lalana io.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre