Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Antsahorana – Nifatratra tany anaty hantsana ilay fiara vao novidiana

Ny loza sy ny mpangalatra dia mitovy tsy misy valaka satria tsy mba mampiomana izany rehefa ho avy. Toy ny olona mailo amin’ny fandriam-pahalemana ao an-tokatrano ihany noho izany ny olona mandeha na ny mpitondra ireny fiara ireny satria tsy fantatra mihitsy izay mety hahazo azy eny an-dalana eny. Omaly izao dia nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny fokontany Antsahorana, kaominina Ambohimalaza ary mbola vokatry ny tsy fitandremana ihany no nahatonga izany. Raha ny vaovao azo dia fiara vao avy novidiana io niharan’ny loza ka nifatratra tany anaty hantsana io. Nitaona vato hanaovana trano, niala avy ao amin’io toerana voalaza teo ambony io ilay fiara izay sambany vao nampiasaina. Tsy fantatra anefa izay nahazo ilay mpamily na ilay fiara fa dia tany ankady vao nijanona. Potipotika ny fiara satria dia metatra maromaro niala ny arabe mihitsy no nifatrarany. Naratra vokatr’izany ilay tovolahy iray irakiraka amin’ity fiara ity ary efa tsaboina ao amin’ny hopitalibe ao Besopaka-Sambava. Ilay mpamily kosa dia mbola karohina satria tsy hita izay nanjavonany ary tsy hay na maty na velona.

Ra Tax.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre