Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Manjakandriana – Tovolahy iray matin’ny pesta

« Mitaraina ny tany », tantara foronina nosoratan’i Andry Andraina. Boky mirakitra ny zava-misy niainan’ny Malagasy toy ny karazana fijaliana sy fiaretana nandritra ny ady ary ny aretina isan-karazany. Anisan’ny asongadiny ao ny pesta izay nandripaka olona maro tao Marovato, Ambatondrazaka. Mbola mitaraina mafy tokoa ny tany ankehitriny. Mijaly amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny haintany ary ny tsy fandriam-pahalemana ny vahoaka eto Madagasikara, izay mbola nampian’ny horohorontany tamin’ny herinandro lasa teo aza. Dia io fa miditra ho haingon’izany rehetra izany ny aretina pesta. Miverina aty amin’ny vanim-potoana ankehitriny ny fandinihan’ny mpanoratra ny tranga nisy teo amin’ny fiainan’ny Malagasy tamin’ny taona 1979. Raha tany amin’ny faritra Amoron’i Mania no naharenesana olona matin’ny pesta tamin’ny alatsinainy lasa teo dia tany amin’ny fokontany Ambohitseheno distrika sy kaominina ambanivohitr’i Manjakandrina indray no nisy tovolahy iray  vao 22 taona monja matin’ity aretina ity ny talata 17 jaonary lasa teo. Nampidirina tao amin’ny CsbII Ambohitseheno izy ny alatsinainy 16 janoary 2017 tamin’ny homam-bary olona na tamin’ny 9 ora alina. Nihombo hatrany anefa ny aretiny ka maty izy ny talata maraina tamin’ny 10 ora tany ho any. Araka ny filazan’ny mpitsabo tany an-toerana dia pesta no nahafaty azy ka nampandre ny zandary tao an-toerana izy ireo. Nanome baiko ireo fianakaviana ireo ny tompon’andraikitra mba handevina avy hatrany ny razana sy hanadio ny faritra nisy azy. Nandray ny andraikiny ihany koa ny tompon’andraikitry ny tanàna ka nampahalala ny zava-nitranga sy nanao fanentanana mba hanadio sy hamono izay voalavo hita mirenireny eny rehetra eny.

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre