Vous êtes ici :

Samedi 04 Mai 2024

ombre

Mahajanga – An’arivony ireo tonga nanao veloma an’i Vahatra sy Valencio

Vory maro ny vahoakan’i Mahajanga  tonga nanotrona ny fanaovam-beloma farany an’i Vahatra sy Valencio, ireo mpianadahy namoy ny ainy tamin’ny lozam-pifamoivoizana niseho tao an-toerana tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nampiseho ny fiaraha-miory tamin’ny fianakaviana tokoa ny vahoaka tao an-toerana eny fa na ny malagasy tsy vaky volo aza ka hatramin’ireo monina any ampitan-dranomasina. Eny amin’ny « cimetière » La Corniche no napetraka ny nofo mangatsikan’izy mianadahy rehefa avy niandrasana sy niaretan-tory tao amin’ny fiangonana Loterana Tsaramandroso. Natao ny faran’ny tolakandro ny fotoam-pivavahana ka tsy antonona ny olona tonga nanatrika mihitsy ny fiangonana. Tsy afaka teo am-bavan’ny mponina ao Mahajanga ny voina nahazo ity fianakaviana ity satria dia hetraketraky ny sasany no namoizana zaza roa. Tonga nanolotra vola an-tapitrisa maro ilay nandona ho fanampiana ny fianakaviana. Saika tsy nanaiky ny rain’izy mianadahy saingy rehefa nandeha ny fandresen-dahatra dia nanaiky ihany. Marihina fa samy fianakaviamben’ny Foloalindahy ihany ireo voakasik’ity raharaha ity satria Zandary no nandona, Miaramila no mpamily sy tompon’ny bajaj ary zanaka Polisy ireo namoy ny ainy. Saika handeha hamonjy fety any amin’ny dadatoany izy mianadahy no sendra izao voina izao. Miaramila monina eny Antanimasaja no nandehanan’izy ireo, miaraka amin’ny zanak’ity dadatoany ity. Ity farany kosa nipitika lavitra noho ny hamafisan’ny dona fa izy mianadahy kosa tery tao ka tsy tafavoaka. I Vahatra, 11 taona kilasy fahafito, i Valencio, 5 taona kosa garabola dia samy mpianatra ao amin’ny sekoly Montfort Saint-Gabriel. Izahay eto amin’ny Gazety Madagascar matin dia mirary fionona feno ho an’ny fianakaviana.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre