Vous êtes ici :

Lundi 06 Mai 2024

ombre

Toamasina – Niakatra ny hetra alaina amin’ny môtô

Mampiaka-peo ireo mpampiasa moto ao an-drenivohitry Betsimisaraka. Niakatra ho 5000 ariary ary tsy mahazo izany raha tsy mandalo “visite technique”, izay mbola andoavana vola 10 000 ariary isaka ny môtô anefa. Ho an’ireo mpanjifa dia fanararaotana no ataon’ireo tompon’andraikitry ny Kaominina mahita ny hamaroan’ireo olona mpampiasa izany fitaovam-pitaterana izany ao an’toerana. “Ben’ny tanàna … “conseillers municipaux” ianareo no tompon’ny Toamasina ankehitriny ka afaka manao izay tianareo hatao amin’ny fampiakarana hetra (vignette môtô….) tsy misy fampilazana akory… Mankaiza anefa ny vola toy ireny satria toa tsy tazana mihitsy ny fanatsaràna ny tanàna fa vao mainka aza mitotongana ny lazan’i Toamasina hoe : « capitale des ordures « ..asio asa manamarika fa mahay mitantana ianareo azafady. Raha toa ka betsaka loatra ny olona efaina karama nefa tsy miasa… esory” hoy  Andry Ratsimba mponina ao Toamasina.

Raha kajina tsotsotra hoe arivo ny isan’ny môtô mivezivezy ao antampon-tanànan’i Toamasina ka ampitomboina  15 000 Ar  dia manome 15 000 000 Ar ny vola miditra amin’izany nefa efa amanaliny ny moto mivezivezy eto amintsika. Mba hisy tamberin’andraikitra hiverina amin’ny mponina anefa ve io fandoavana vola be io sa ahoana, eny na dia ny fanatsarana ny fifamoivohizana fotsiny aza ? Môtô  fotsiny no resaka eto fa mbola tsy resahana ny mikasika ny Bajaj izay manomboka efa mameno tanàna amin’izao fotoana izao.

 

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre