Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Itaosy – Notokanana omaly ny « commissariat » vaovao

Naharitra 90 andro ny fanorenana ity trano lehibe vaovao ity ary mitentina 180 000 000 Ariary ny teti-bidy nahafahana nanangana azy. Notokanana omaly maraina ity biraon’ny « commissariat » vaovao ao Itaosy izay nataon’ny orinasa Aime ity. Tonga nanome voninahitra ny lanonana no nitokana izany ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de la Police Anandra Norbert sy ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena ary ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Tonga nanotrona ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny mpitana ny Tombokasem-panjakana sady  minisitry ny Fitsarana, Andriamiseza Charles. Hita teny an-toerana ihany koa ny loholon’ny Madagasikara, Randriamihaingo Berthin. Raha ny voalaza nandritra ny lahateny nifandimbiasana dia natao ny fanorenana izao fotodrafitrasa toy izao mba ho antoky ny fandriam-pahalemana. Nanamafy izy ireo fa hohamafisina ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra izany. Natao mba hanakaikaizan’ny ministera ny vahoaka nefa koa tafiditra amin’ny soritr’asa ho fanatsarana ireo fotodrafitrasa efa nisy mba  hahafahana  mandray ny vahoaka araka ny tokony ho izy ny fanavaozana toy izao. Fantatra fa mbola vitsy an’isa ny Polisy, miezaka hatrany anefa izy ireo manatanteraka ny asa sy andraikitra sahaniny.  Marihina fa ny trano nampiasain’ny « commissariat » de Police Itaosy teo aloha dia tany sy  tranon’ny kaominina. Narodana ka nanorenana trano vaovao izao. Antenaina noho izany ny hisian’ny filaminana eny an-toerana aorian’izao satria tato ho ato izay dia nanjakan’ny asan-jiolahy sy ny vaky trano mihitsy iny faritra Itaosy iny.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre