Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Fiompiana – Maty antoka ireo mpiompy

Asa fivelomana be mpanao indrindra hatramin’izay ny fambolena sy ny fiompiana, indrindra fa ho antsika malagasy, na ny any ambanivohitra izany na ny eto an-drenivohitra. Mandalo fahasahiranana tokoa manko izao ireo mpiompy amin’izao vanim-potoana izao, indrindra fa amin’izao tsy fisian’ny orana izao, sahirana ny mpiompy ny amin’ny fitadiavana ny sakafo ho an’ny biby fiompy, satria tsy dia ahitana firy izany amin’izao. Main-tany ka tsy misy zava-maitso izay fihinan’ny omby firy intsony eny an-tsaha satria tsy misy ny orana, hany ka lasa mahia ho azy ny omby, ary mihena ny ronono tokony ho azo avy aminy. Raha ho an’ny mpiompy kisoa sy ny akoho amam-borona indray dia mitaraina izy ireo ny amin’ny vidin’ny sakafo ho an’ny biby satria tafakatra efa ho avo roa heny ny vidin’ny sakafon’ny kisoa sy ny akoho amam-borona, raha 800 ariary manko ny vidin’ny iray kilao amin’ny katsaka teo aloha dia efa tafakatra ho 1500 ariary izany ankehitriny. Miaka-bidy ary tsy ahitana provandy ihany koa amin’izao fotoana izao eto Antananarivo sy ny manodididna noho io fiakaran’ny vidin’ny katsaka io, satria io no akora fototra anamboarana ny provandy. Nandritra ny volana desambra 2016 lasa teo tokoa mantsy no tsy nahitana provandy loatra teny amin’ireo mpivarotra sakafom-biby. Anisan’ny antony mahatonga izany hoy ireo mpivarotra izay maka mivantana any amin’ny mpanamboatra sakafo ho an’ny biby ny fahatapahan-jiro matetika, ka tsy mahavita ny asany ara-dalana ireo mpanamboatra sakafo ho an’ny biby sy ny fiakaran’ny vidin’ny akora ampiasaina izay efa voalaza etsy ambony. Koa ny hany sisa azo atao hoy ireo mpiompy amin’izao fahasahiranana ny amin’ny asa fiompiana izao dia tsy maintsy ahena ny sakafo omena ny biby ompiana na mividy amin’ny vidiny lafo izay mety hiteraka fatiantoka be hoy hatrany izy ireo.

Solomamy.M

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre