Betafo – Mpiandry fonja namono tena rehefa avy nitifitra ny vadiny
Mitera-doza ny fifamaliana eo amin’ny mpivady rehefa tsy voafehy ny fihetsika sy ny fiteny. Rehefa manjaka mantsy ny hatezerana, indrindra fa rehefa vokatry ny hasarotam-piaro dia lasa mitohy amin’ny fikasihan-tànana ny ady ary indraindray aza tonga hatrany amin’ny fifamonoana mihitsy. Toa izany indrindra ity tranga niseho ny zoma lasa teo ity. Raim-pianakaviana mpandraharaha any amin’ny fonjan’ny Betafo no nahavanon-doza namono ny vadiny vokatry ny fifamaliana. Araka ny vaovao azo dia mifamaly matetika izy mivady ireo, indrindra fa rehefa amin’ny alina efa reraky ny asa iny. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy fantatra izay nampiady fa tena tabataba tsy nifandrenesana mihitsy no tao an-tokatranon’izy mivady. Rehefa nipaika anefa ny tamin’ny 12 ora alina dia nirefotra in-droa nisesy ny basy. Araka ny maha mpiandry fonja an’ilay rangahy dia manana basy ao an-tranony izy. Taitra ny mpiara-monina ka nandreha nivoaka nijery izay zava-nitranga. Efa faty roa no hitan’izy ireo miaraka amin’ny zazakely miisa roa mitomany. Araka ny vaovao voaray hatrany dia efa nikasa ny hiala tao an-trano mihitsy izy telo mianaka, izany hoe ilay ramatoa sy ireo zanany roa. Nahita izany ilay rangahy dia tsy nisalasala nitifitra an’ilay ramatoa. Nitsirara avy hatrany teo am-baravarana ity farany ary rehefa hitany fa maty ny vadiny dia nitifi-tena ihany koa izy. Raha ny nambaran’ny olona manodidina dia ny fahamamoan-drangahy matetika no fototry ny adin’izy mivady. Efa in’efatra nisitaka ny tokantrano ilay ramatoa ary fanin-diminy io izy nampiasa fitaovam-piadiana io. Taorian’ny fanadihadiana natao dia fantatra fa 40 taona ity rangahy nahavanon-doza ity ary efa 12 taona niasana tao amin’ny fonja.
Ra Tax.