Betsipolitra Miandrivazo – Jiolahy nanafika Ben’ny tanàna maty voatifitra
Jiolahy roa anisan’ny nanafika ny Ben’ny tanànan’i Betsipolitra, Distrikan’i Miandrivazo, Faritra Menabe, no maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana ny herinandro lasa teo. Araka ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro filaminana dia jiolahy maromaro no naka ny ombin’ny Ben’ny tanàna tao an-toerana, izay miisa 63. Nizotra nianatsimo ny dian’ireo dahalo. Nanara-dia avy hatrany ny Zandary avy ao amin’ny “Poste Avancé” Betsipolotra sy ny avy ao Ankavandra niaraka tamin’ny fokonolona. Nisy ny fifampitifirana teo amin’ny toerana antsoina hoe Bevonoa, ka jiolahy roa no maty lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana. 61 kosa ny omby tafaverina tamin’ny tompony. Ny Zandary avy ao Betsipolotra no nanao ny famotorana.
S.A
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







