Boxe – Atsinanana – Voatsatok’antsy ny tompondakam-pirenena
Raha hiverenana kely ny faramparan’ny taona 2016 teo iny dia nisy andian’olona nanafika azy teny an-dalana, raha handeha hamonjy fodiana amin’ny alina ity kintan’ny taranja ady totohondry ity. Mbola mitohy hatrany ny fikasan’ireo olon-dratsy hifofo ny ain’ity tompondakam-pirenena, eo amin’ny taranja ady totohondry any amin’ny Faritra Atsinanana ity, dia i Jean Denis izany. Noho izay faharatrana goavana nahazo azy teo amin’ny tanany dia tsy afaka nandray anjara tamin’ireo fifaninanana maro nokarakarain’ny Ligy ny faran’ny taona teo ireny izy. Amin’izao fotoana izao, ny maraimben’ny zoma 20 janoary dia nisy nanindrona antsy indray ity tompondakam-pirenena teo amin’ny ady totohondry ity, raha namonjy lanonana teny Ankirihiry. Raha ny fanazavana azo dia teo am-pivoahana ilay trano fanaovana lanonana , izany hoe, miomana hamonjy fodiana indrindra izy no nisy nanindrona antsy. Voa teo amin’ny foto-peny izy ka nijininika ny ra, ary nanaintaina avy hatrany ny vatany rehetra. Nentina haingana teny amin’ny hôpitalibe i Jean Denis, ary mbola manaraka fitsaboana eny izy hatramin’izao. Tsy misy ahiana firy kosa ny ainy.
S.A
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







