Androhibe – Nanao fihetsiketsehana fanairana ny vahoaka
Nisehoana fihetsiketsehana indray teny Androhibe nandritra ny fanokafana fotoam-pilalaovana 2017 satria dia mamaky ady amin’ny fanjakana sy ny vahoakan’Androhibe indray ny flm Androhibe finoana taorian’ny namoahan’ny fanjakana ny didim-pitondrana hanafoana ny fampiasan’ny flm an’ilay tanim-panjakana filalaovam-baolina hatramin’izay sy tany hanorenana E.p.p. Tsy hanaiky ny vahoaka eny an-toerana ary mitaky ny hanalana tanteraka ny Flm amin’ny tany na izay mbola tetehan’izy ireo hobodoina.
Rehefa nandray andraikitra ny tompon’andraiki-panjakana teny an-toerana izay nosoloin’ny sefo Distrika tena, teo ambany fiahian’ny Préfecture de Police ka nampiato avy hatrany ny asa nokasain’ny Flm hatao eo amin’ny kianja filalaovam-baolina Androhibe ny 30 oktobra 2015 tamin’ny alalan’ny didim-pitondrana N°571-MID/PPID/ ANTA/PREPUL/Dist.TanaV, sy namoahan’ny minisitera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, sy ny Fanajariana ny tany ary ny Fampitaovana, didim-pitondrana laharana faha 20812/ 16/M2PATE tamin’ny 30 Septambra 2016 , izay manafoana tanteraka ny fampiasan’ny Flm an’io tany io fa natokana kosa ho toerana fanaovana fanatanjahan-tena sy hananganana E.p.p eny Androhibe ho tombontsoam-bahoaka.
Nilamina ihany ny raharaha ary nitatitra ny zava-nisy tamin’ny Solombavam-bahoaka voafidy teny an-toerana Naivo Raholdina no sady Filohan’ny Vaomiera mpanadihady mikasika ny olana momba ny Fananan-tany eto Madagasikara. Ankilany tsy manaiky ireo tompon’andraikitra sasany ao amin’ny Flm ka nitory ny Fanjakana eny amin’ny Conseil d’Etat mba hanafoana io didim-pitondrana io.
Nangonin’i S.M
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







