Antsiranana – Ny vola vahiny sy volamena no tena lasibatry ny mpamaky trano
Manjaka ny mpamaky trano any Antsiranana. Ny faran’ny herinandro lasa teo dia tokantrano telo no vaky tao anatin’ny alina iray . Tao amin’ny fokontany Tanambao III, dia ramatoa be iray no notafihan’ireo jiolahy ary vola 7 200 Euros niaraka tamin’ny volamena no lasan’ireo jiolahy. Teratany malagasy monina any ivelany no tonga teto ary hanamboatra trano no anton-diany tany an-toerana ka dia izao tratra ny fandrobana izao. Mbola tao amin’ny fokontany Tanambao ihany dia tokantrano hafa indray koa no lasibatra. Araka ny fitantaran’ireo voan’izany dia mitovy amin’itsy etsy ambony ihany no fizotran’ny tantara satria dia jiolahy roalahy mitondra zava-maranitra no nandroba azy ireo ary mbola vola vahiny sy volamena ihany koa no lasan’izy ireo tamin’izany fanafihana izany.
S.A
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







