Toamasina – Vehivavy misandoka ho manam-boninahitra voasambotra
Vehivavy iray misandoka ho manam-boninahitra eo amin’ny mpitandro filaminana no voasambotra tany Toamasina. Maka vola amin’ny olon-tsotra izy, ary mbola ampiany fandrahonana izany. Ankoatra izany, mbola sahy manonona anarana sandoka ihany koa izy amin’ny hoe maha manam-bohinahitra azy amin’izay olona azony lemena mora amin’ny vavany. Nilaza fa hamoaka entana amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina izy, ka teo no nisy nampandre haingana ny mpitandro filaminana. Natao avy hatrany ny fikarohana rehetra ary dia saron’ny Polisim-pirenena eo anivon’ny Kaomisaria foibe eny Toamasina ao Bazarikely ilay vehivavy. Taorian’ny famotorana nataon’ny Polisy dia fantatra fa tena mpisoloky ity vehivavy ity ary efa niaiky ny heloka vitany, araka ny tatitry ny Polisim-pirenena avy ao Toamasina.
S.A
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







