Misy vahaolana ihany
Rehefa tena jerena dia toa misy olona minia manao izay hampijaliana ny vahoaka fotsiny eto amin’ity firenena ity. Raha ny zava-misy mantsy dia misy ihany ny vahaolana saingy ny fandraisana andraikitra no tsy ampy. Ohatra iray tena akaiky izao ny resaka fifamoivoizana. Mahagaga fa rehefa mandray vahiny manan-kaja ny firenena dia toa vitan’ny tompon’andraikitra ihany ny mamaha ny fitohanan’ny fifamoivoizana ao an-drenivohitra. Hita mihitsy izany nanomboka ny alakamisy lasa teo satria toa nalaladalaka tsy toy ny mahazatra teny amin’ny arabe. Ny alarobia anefa tena nitohana tanteraka. Rehefa mandray ny andraikitra manandrify azy ny tsirairay dia hita fa voavaha mora foana ny olana eto Madagasikara.
Toy izany koa mantsy ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Rehefa tena taitra ka manao hetsika ny mpitandro filaminana dia hita fa milamina tokoa ny tany. Any amin’ireny toerana tafihan’ny dahalo ka nametrahana hery manokana hiaro ny vahoaka ireny izao dia efa manomboka miverina amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana. Eto an-drenivohitra ihany koa dia tsapa fa tsy misy ny mpanendaka rehefa avoaka mijorojoro sy mitety tanàna ny polisy. Ny mahagaga fotsiny dia ny hoe maninona no tsy mandavan-taona izy ireny no avoaka hanao ny asa fiarovana ny vahoaka sy ny fananany fa tsy indraindray ihany ?
Mbola azo vahana tsara ihany koa ny olan’ny delestazy satria raha niteny ny Praiminisitra tamin’ny faramparan’ny taona ireny hoe atsaharo io delestazy io ry Jirama dia nitsahatra tokoa ilay izy saingy tsy naharitra. Toy izany koa tamin’ny tapatapaky ny volana janoary dia niteny ny tale iray teo anivon’ity orinasam-panjakana ity fa hovahana io olana io dia tena tanteraka tokoa ny teniny. Tsy naharitra ihany koa anefa izany fa andro vitsy dia niverina ihany ny fahatapahan-jiro. Izany hoe misy ny vahaolana amin’ny zavatra rehetra fa ny fanohizana maharitra ny ezaka efa vita no tsy ampy. Ry zareo tompon’andraikitra ihany no mahafantatra izay vato misaka tsy hahafahana mitazona ny vahaolana efa nahitam-pahombiazana.
Io fidangan’ny vidim-piainana io ihany koa dia inoana fa tsy maintsy misy vahaolana hampihenana azy saingy ny tompon’andraikitra no mitaredretra. Mahagaga ny antony mampangina ny tompon’andraiki-panjakana manoloana ny fahasahiranan’ny vahoaka izay sady efa tsy misy asa na kely karama nefa mbola tsy mitsaha-misondrotra ny vidin’ny entana fampiasa andavanandro. Ny vary izao efa mahatratra Ar 2000 ny kilao amin’ny toerana sasany. Tena fanararaotana tsotra izao no misy satria tsy voka-bary tao anatin’izao haintany izao ireny fa efa nisy nanangona tamin’ny taon-dasa. Aiza ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana manoloana ny fanararaotana ataon’ireo mpijirika.
Misy foana ny vahaolana raha handray andraikitra ary fantatry ny mpitondra Fanjakana tsara izany. Tsy maharitra anefa io vahaolana io raha toa ka tsy misy ny fijerena akaiky ny fiainam-bahoaka. Izany hoe mila mihaino ny hetahetan’ny Malagasy ny mpitondra ary mila mamantatra ny tena fahoriana mianjady amin’ny isan-tokantrano. Tsy vitan’ny afenimpenina sy sarontsaromana mantsy ny zava-misy eto amin’ny firenena satria tsy maintsy mivoaka foana ireny rehefa tena maharary ny vahoaka. Mihetsika mafy izao ny Fanjakana sy mpamatsy vola azy amin’ny fikatsahana tetikasa entina hiadiana amin’ny mosary miverimberina any atsimon’ny Nosy. Toa hadinon’izy ireo fa ny vahoaka manerana ny Nosy mihitsy no tsy ampy sakafo. Eto an-drenivohitra izao dia saika ho isan-kerinandro no ahitana olona maty an-dalana noho ny hanoanana.
Rehefa mitaky amin’ny mpitondra mba hanatanteraka ny fampanantenana sy hiasa tsara mifanaraka amin’ny tombontsoa mihoa-pampana azon’ireo manam-pahefana anefa ny vahoaka dia vahaolana mahery vaika no hitan’ny mpitondra Fanjakana hampanginana azy. Avadika ho hery famoretana ny mpitandro filaminana ary voasakana sy voadaroka ary samborina sy ampidirina am-ponja izay sahy miteny eny an-dalambe. Hadinon’ny mpitondra fa vahaolana tsy maharitra ny fampiasan-kery. Miparitaka sy mandositra ny mpanao fihetsiketsehana rehefa voatoraky ny baomba mandatsa-dranomaso saingy kosa tsy miova amin’ny heviny izy ireo fa vao mainka aza lasa diso fanantenana bebe kokoa amin’ny mpitondra.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







