Vous êtes ici :

Mardi 03 Février 2026

ombre

Vely « bois rond » miharo fanendahana – Olona telo vaky loha no naiditra hopitaly

Miverina mahazo laka indray amin’izao fotoana ny resaka fanendahana mampiasa « bois rond ». Omaly, raha toa ka hafaliana ny an’ny mponin’Antananarivo fa avy ny orana dia  fahoriana kosa no nahazo ireto olona lasibatry ny fanendahana tamin’ny toerana telo samihafa ireto. Nandritra iny oram-be omaly iny dia olona telo no naratra mafy nandritra ny fifandonana tamin’ny mpanendaka. Ny iray teny Ampasapito, ny iray teny amin’ny faritra Anosy Be ary ny iray farany kosa tsy mbola fantatra hoe taiza no nahavoa azy. Raha ny nambaran’ny mpitsabo iray teny amin’ny Hjra dia voa mafy teo amin’ny faritry ny lohany avokoa izy telo lahy ireto ary samy mbola tsy nahatsiaro tena avokoa no nisy nitondra tany amin’ny hopitaly. Ilay lehilahy iray no tena voa mafy ary mbola atahorana ny fahasalamany noho ny rà betsaka very. Izay no tsy mbola nahafantarana ny toerana nahavoa azy, ny olona nitondra azy rahateo avy dia lasa. Lehilahy 21, 30 ary manodidina ny 24 taona eo ireto lasibatra ireto. Raha ny vaovao voaray hatrany dia nilaza ny lehilahy iray voaendaka tamin’ireo fa fantany ny olona nahavita nandroba azy. Ny zavatra hita sy tsy azo lavina aloha dia tena vely « bois rond » no nahazo ireto olona ireto. Ireto farany mihitsy no nanamarina izany. Aiza ho aiza ny mpitandro filaminana manoloana izany, sa matoritory any an-tranony fa avy ny orana ?

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre