Tsiroanomandidy – Roa maty tao anaty fifanjevoana
Tsy misy andro iray mandalo ka tsy ahenoana fanafihan-dahalo eto Madagasikara. Matetika, rehefa misy ny fanarahan-dia dia misy ny voatifitra avy amin’ny andaniny sy ny ankilany, na maratra na maty mihitsy. Rehefa tsy mahatohitra ireo malaso dia ny biby nalain’izy ireo no amonoany an-dalana. Andian-dahalo am-polony mirongo basy sy fitaovam-piadiana no nandroba omby 40 tao amin’ny fokontany Amaharivato, kaominina Ambalanirana, distrikan’i Tsiroanomandidy ka avy hatrany dia nitifitra ireo dahalo teo ampakana ny omby. Namaly tifitra ihany koa ny tompon’omby ary maty ny dahalo iray. Nanara-dia avy hatrany moa ny zandary sy ny fokonolona ary dia mbola nitohy izany fifampitifirana izany tao Ankihira. Dahalo iray hafa indray no hita faty rehefa maraina ny andro ary tafaverina tamin’ny tompony avokoa ireo omby ary tsy nisy naratra ny mpanara-dia.
S.A
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







