Honohono momba ny fahavakisan’ny fonja – Nandà mafy ny mpiambina an’Ambalatavoahangy
Omaly maraina dia niely eraka ny tambajotra serasera ny tsaho milaza fa vaky ny fonjan’Ambalatavoahangy. Ny vaovao tahaka ireny moa dia mora miparitaka tokoa raha ao amin’ny aterneto no asiana resaka ka tao anatin’ny fotoana fohy dia nahafantatra avokoa ny vahoaka Malagasy, indrindra fa ireo mponina ao Toamasina. Tao ireo nilaza fa maro ireo gadra tafaporitsaka tao amin’io fonja io nandritra izany fahavakisana izany ary ny sasany aza dia miteny fa nisy mpiambina fonja naratra voadaroky ny gadra mihitsy. Tao ireo mpanara-baovao izay nilaza fa rehefa tonga teny ampototsofin’ny lehiben’ny fonja ao Ambalatavoahangy ny resaka mandeha avy hatrany izy dia nampiantso mpanao gazety. Raha ny nambaran-dRalay Chrisian dia vaovao tsy marina niniana naely fotsiny io resaka io mba hanosoram-potaka tsotra izao ny mpandraharahan’ny fonja ao Toamasina. Nanamafy izy tamin’izany fa tsy vaky velively ny fonja ary manatanteraka antsakany sy andavany ny andraikitra sahaniny tsirairay avy ireo mpiasan’ny fonja. Nanao antso avo ihany koa ity lehiben’ny fonja, Ralay Christian ity mba hanatsaharana tsy misy hatak’andro ny fanelezana tsaho amin’ny vahoaka Malagasy. Hisy noho izany ny fanadihadiana manokana atao mba hanarahana maso ireo olona nahavita izany heloka izany. Ankoatra izay dia nanome salan’isa momba ireo voafonja ity tompon’andraikitra ity ary nilaza fa 282 amin’ireo voafonja no efa nandalo fampanoavana raha toa ka 919 ny isan’izy rehetra. 167 kosa ireo navoaka ny fonja rehefa nisitraka ilay famelan-tsazy nomen’ny Filoham-pirenena ny faran’ny taona teo.
R.T.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







