Passoba-Santé – Nitombo ny olona manatona Csb
Tontosa omaly ny fivoriana fahavalon’ny komity mpitananta ny Passoba-Santé (Programme d’Appui aux Secteurs Sociaux de Base-Santé) na ny « programa ifanampiana eo amin’ny fahasalamana eny ifotony », izay notanterahana teny Ivato. Maro ireo tompon’andraiki-panjakana sy manam-pahaizana mikasika ny fahasalamana no nanatrika izany fivoriana izany, izay nandinika ny momba ny fandrosoan’ny asa, ny vokatra azo ary koa ny fifampizarana traikefa eo amin’ny fanamafisana ny fahasalamana eny ifotony manerana ny Nosy. Taorian’ny 4 taona nandehanan’ny asa, kely sisa dia ho tratra ny vokatra nandrasana. Izany dia noho ny fiaraha-miasa amin’ireo Csb (Centre de Santé de Base). 73 no niverina nisokatra indray hatramin’ny niantombohan’io programan’asa io. Mpanampy mpitsabo 473 sy mpitsabo 88 no misahana ny asa fitsaboana vokatr’izany. Teo ihany koa ny fanatsarana ireo Csb izay natao manaraka ny fenitra tamin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana teknika sy fitaovana vaovao tany amin’ny faritra miisa 9 (Analanjirofo, Anosy, Atsimo Andrefana, Menabe, Sava, Atsinanana, Betsiboka, Boeny ary Vakinankaratra) mba ho fanatsarana ny kalitaon’ny asa. Mbola ity programa ity ihany koa no nahafahana nanamafy ny fomba famatsiana fanafody tamin’ny alalan’ny paikady fanamafisana PhaGDis (Pharmacie de gros du District). Teo ihany koa ny famatsiam-bola avy amin’ ny Salama. Nanomboka hatramin’ny fiatombohan’ny tetikasa dia nahitana fitomboana 26 isan-jato ny fizahana marary ivelan’ny hôpitaly ary niakatra 23% ny tahan’ny olona teraka eny amin’ny Csb.
Noho izany antony rehetra izany dia natao io fivoriana io mba handinihana ny ho faharetan’ny tetikasa. Mety hanome fanampiana ara-bola ihany koa ny fanjakana, ny Gavi, ny Fonds Mondial, ny Banky Iraisam-pirenena ary koa ny Usaid sy ireo mpiara-miombon’antoka maro. Ny fivoriana moa dia natrehan’ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fahasalamana, Dokotera Joséa Ratsirarson sy ny solontenan’ny Unicef eto Madagasikara, Elke Wisch.
Safidy Andrianina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







