Tombola Galana – Nitsikian’ny vintana ka nahazo 4×4
Omaly zoma 27 janoary no nanatontosana ilay fisarihana lehibe nokarakarain’ny orinasa Galana teny amin’ny tobin-dasantsy Imahitsy Antsonjombe. Mitotaly 8 ireo tsara vintana, Razafimahatratra Dieu Donné izay nahazo fahafahana manofa fiara maimaimpoana mandritra ny 15 andro avy ao amin’ny Loxea. Raharison Marcel Renard izay nahazo ireny atao hoe « overboard » ireny. Tablette électronique kosa no azon-dRasoazanatompo Vero Malala, izay tsara vintana fahenina. Noentin’i Mahazo Mody Jean Borrice kosa ny « télévision écran plat ». Ho antohina tanteraka mandritra ny iray taona be izao ny fandaniana ara-tsolikan-dRatsimbazafy Maminiriana Princy izay voasarika teo amin’ny laharana fahefatra. Vata fampangatsiahana iray lehibe indray kosa no azon-dRamaroson Wilson. Scooteur Kymco super 8 no loka natokana ho an’ny tsara vintana faharoa dia i Njatoson Mamy Moïse. Hyundai Creta hiaka farany izay manana tetibidy an-tapitrisany maro no loka goavana natao ho an’izay mpandresy tamin’ity ankitsapaka ity. Ramanandray Heriarilala no nahazo izany. Raha nantsoina tamin’ny antso an-tarobia moa izy dia tsy nahita havaly fa henin-kafaliana tanteraka. Tamin’io fotoana io ihany izy dia nantsoina ho eny amin’ity tobin-dasantsy ity haka ny anjarany. Tobin-dasantsy miisa 68 manerana ny nosy no nahazo nandray anjara ary an’arivony ireo taratasy voangona tamin’izany. Maro ihany koa ireo mponina tany amin’ny faritra toa an’Antsirabe, Toamasina, Mahajanga sns no efa nahazo ny anjarany. Teo ambany fanaraha-mason’ny polisin-dalao no nanatanterahana izany fisarihana izany ary olona avy amin’ny mpijery nanatrika teo no nasaina nanao ny fisarihana.
N. R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







