Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Tsy misy anilihana intsony

Efa manomboka miverina tsikelikely ny orana hatramin’ny faramparan’ny herinandro iny. Tsy hay mazava na orana ara-boajanahary na nalatsaky ny sampan-draharaha mandinika sy mamantatra ny toetrandro fa ny hita aloha dia efa manomboka misy ny hamandoana kely. Na izany aza anefa mbola misy ihany ny fahatapahan-jiro lavareny izay tsy nitondran’ny tompon’andraikitra fanazavana intsony izay antony mahatonga izany. Manomboka mihazatra  rahateo ny vahoaka koa ireo mimenomenona indray no heverin’ny sasany ho kizitina. Matoa anefa ny olona maneho ny tsy fahafaliany dia fitakiana ny zony izany fa tsy finiavana handrangitra na handrehitra afo araka ny fomba fiteny. Ireo mangina sy manaiky lembenana fotsiny no tena mahagaga satria ampijalijalian’ny Jirama sy ny mpitondra nefa miaritra ny zava-misy. Ny vidin-jiro aloa isam-bolana midangana be nefa ny herinaratra tapaka foana. Ataon’ny Jirama amin’izay tiany hanaovana azy ny faktiora ka rehefa tiany hampiakarina dia ampiakariny tsy misy fanazavana na kely aza. Toy izany ihany koa rehefa tiany hotapahina. Efa nosoloina ny tompon’andraikitra ambony eo amin’ity orinasam-panjakana ity, efa nilatsaka ihany koa ny orana, ary efa niteny ny talen’ny fitsinjarana herinaratra fa nisy ny fifanarahana vita sonia tamin’ireo orinasa mpamatsy solika ; izany hoe tokony mba efa tsy manana olana intsony ity orinasa ity ka afaka hamerina amin’ny laoniny ny famatsian-jiro. Raha mbola mitohy izany ny delestazy amin’ity herinandro ity dia tokony hosoloina avokoa izay tompon’andraikitra rehetra voakasin’izany. Anisan’ny tena manahirana ity resaka angovo ity rahateo ny tsy fisian’ny minisitra tompon-toerana nefa dia raharaha mahakasika mivantana ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena io sehatra io. Manazava ny filoham-pirenena fa laharam-pahamehana amin’ny asa fampandrosoana voafaritra ao anaty drafitra natao dinasa (Pnd) ny angovo nefa ny mahagaga na dia ny minisitra aza tsy misy hitantana io sehatra iray io. Efa amam-bolana maro no nahafaty ilay minisitra nisahana izany andraikitra izany ary tsy nosoloin’ny fitondram-panjakana intsony fa dia mpisolo toerana no misahana izany mandrak’androany.

Ny filoha Didier Ratsiraka izay efa nanambara fa izy no nametraka ny fotodrafitrasa goavana rehetra mbola ampiasain’ny Jirama amin’izao fotoana izao dia heverina fa tsy nieritreritra velively ny mety hisian’izany delestazy izany aty aoriana. Ampy sy nihoatra ny filan’ny mpanjifa tamin’izany fotoana izany mantsy ny fotodrafitrasa napetrany ka tsy nijaly jiro ny vahoaka. Ny taty aoriana kosa dia nitavana ny efa vita teo fotsiny nefa be tetika amin’ny alalan’ny fanitarana ny fampidiran-jiro amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Ny antontan’isa sy ny tanjona hampitomboana ny tahan’ny vahoaka mahazo herinaratra no nahamaika ireo mpitondra nifandimby taorian’i Didier Ratsiraka fa tsy ny hanangana fotodrafitrasa goavana afaka hamokatra jiro ho an’ny vahoaka malagasy. Tetikasa madinika no mba nataon’ireo filoha nifandimby ka izany no nahatonga izao olana goavana amin’ny famatsian-jiro izao. Mila vahaolana haingana ity resaka delestazy lavareny ity satria tsy afaka hiandry telo volana izany ny vahoaka vao afaka hiaina ara-dalàna. Ny mpitondra sy ireo tompon’andraikitra notinendry ary ny teknisianin’ny Jirama mantsy mandray ny karama sy ny tombontsoa tandrify azy ireo isam-bola fa tsy mbola nisy hoe tapaka na nampiandrasina 3 volana ny fandoavana izany. Anio dieny anio ihany dia tokony hajanona ny delestazy manerana ny Nosy. Tompon’andraikitra sy mpitondra Fanjakana mahavita manatanteraka izany no ilaina fa tsy olona be fangatahan’andro sy fanazavana ara-tekinika izay tsy hitondra vahaolana akory fa vao mainka mahasorena ny vahoaka.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre