Andapa – Nanapaka tetezana ny orana
Tetezana iray ao amin’ny fokontany Diapisaka , kaominina Ambanovohitr’Andapa no tapaka noho ny filatsahan’ny orana tamin’iny faran’ny herinandron’ny alahady teo iny. Mitoka-monina tanteraka io fokontany io satria dia io tetezana tapaka io no mba hany mampitohy azy amin’Andapa ka vokatr’izany dia tsy afaka mampiakatra vokatra ny olona ao an-toerana. Mbola tany amin’iny faritra iny ihany ary mbola vokatr’io orana io ihany koa dia raim-pianakaviana avy nivavaka no nilatsaham-potaka ka maty tsy tra-drano rehefa iny hamonjy fodiana iny. Roalahy izy ireo no niaraka fa ilay namany kosa dia nieren-doza fa nisy faritra kely naratra tamin’ny vatany. Avy any Bemanevika ka nikasa hody any Ambodifamelona Ambodiangezoko no izao tra-doza izao.
S.A
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







