Sambava – Mpanao gazety nofelahan’ny lefitry ny Ben’ny tanàna
Raikitra ny ady teo amin’ny depiote Zoky Vonjy izay mpanao lalàna moa sy ny Ben’ny Tanàna “Magistrat de la Ville”. Adin’ny samy lehibe tao an-tanànan’i Sambava tao amin’ny Gare Routière Ambodisatrana. Mpanao Gazety iray ihany koa no voakasi-tanàna tao anatin’ity ady ity. Ny lefitry ny Ben’ny tanàna no namelaka azy tehamaina teo am-panaovana ny asany raha ny vaovao azo avy any an-toerana. Fako miangona ao amin’ny tsenan’ny Gare Routière an’Ambodisatrana no fototry ny ady. Raha ny nambaran’ity Ben’ny Tanàna ity dia “maro ny olon-tsotra manao zavatra ao an-tanàna nefa tsy miera aminy”. Ny depiote voafidy tao an-toerana kosa dia namaly “maloto ao bazary ary mantsina ka raha nangataka fanampiana tamiko ireo tao amin’ny gare routiere dia tsy nandrasako ela izany ka izao hitantsika nadio izao”, raha ny nambarany. Raha ny zava-misy kosa anefa dia tsy hita izay hodisoana satria ny olon-tsotra rehetra samy afaka manao asa fanasoavana avokoa.
S.A
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







