Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

67ha – Vato be sy antsy lava lela no nandrahonana an’ilay voaendaka

Azo lazaina ho anisan’ny faritra mena ary tsy azo aleha mihitsy, indrindra rehefa amin’ny alina, iny 67ha sy Vasakaosy iny indrindra fa ny manodidina ireo toerana ireo. Mpanendaka efa am-polony maro hatrany no miafinkafina eraka ny elakelan-trano ary miandry kendry tohana fotsiny izay tratra alina. Eny fa na ireo mpivarotra sy mpiandry Taxi-be eny amin’ireo seranam-piantsoana aza dia lasibatra avokoa. Vao ny alatsinainy lasa teo indray izao no nisy lehilahy iray tra-tehaky ny mpanendaka. Raha ny vaovao voaray dia nandeha namangy havana tany Imerintsiatosika ity lehilahy ity ary niainga maraina, saingy tsy nahita fiara nodiana intsony ka tratra alina. Tamin’ny 11 ora sy sasany alina noho izany Ranamana vao tonga teny 67ha, niaraka tamin’ny kitapo nisy voankazo sy solosaina enti-tanana, noentiny nampifalifaliana ny fianakaviany.

Handeha hody any Ankadindratombo ity rangahy ity ka nikasa ny handeha hanakana fiarakaretsaka mba hitondra azy. Tsy mbola tonga teny amin’ny antsasa-dalana akory anefa izy dia nisy lehilahy mody nanantona azy ary nangataka afo mba hampirehetana sigara. Nilaza anefa ity rangahy fa tsy mpifoka sigara no sady tsy manana afo ka nanohy hatrany ny diany. Tampotampoka teo anefa dia nivoaka avy tao amin’ny mangingina ireo namany telo hafa ary nanomboka nila vaniny. Raha ny vaovao voaray hatrany dia nilaza ireo namany ireo fa nanompa an’ilay namany izay mba nangataka afo. Teo vao tonga sainga ilay lasibatra fa olon-dratsy izy ireo ary nanomboka nitsoaka moramora izy. Tamin’izany anefa no namoahan’izy ireo antsy lava lela sy nandraisan’izy ireo vato be nandrahonana an’ilay rangahy. Nasain’ireo jiolahy namoaka ny entana sarobidy tany aminy io lasibatra io ary nasainy namoaka ny entana rehetra tao anaty kitapony. Soa ihany fa efa fetsy ity rangahy ity fa teo ampanokafana an’ilay kitapo izy no nively ny iray tamin’ireo mpanendaka ka nandeha nitsoaka. Tsy naratra ilay rangahy tamin’izany ary tonga soa aman-tsara tany an-tranony. Raha ny nambarany hatrany dia toa olona eo amin’ny manodidina eo ihany ireo mpanendaka ireo.

 

Ra Tax. 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre