Fampiakarana saran-dalana – Raikitra ny fifamaliana tao anaty fiara
“Ataovy izay ataon’ialahy fa izaho tsy manana”. Nisy tokoa ireo taxi-be nampihatra ny fampiakarana ny saran-dalana ho 500ariary, omaly alarobia 01 febroary araka ny didy navoakan’ny tompon’andraikitra, anisan’izany ny 119. Sahiran-tsaina ny vahoaka satria tsy mba misy elanelam-potoana lavalava fa dia mitohy vakana ny fiakaran’ny vidim-piainana ka tsy misy intsony ny toe-tsaina vonona hanara-dalàna fa dia ny hifanohitra hatrany. Rehefa tonga teo Antsakaviro nitaky saran-dalana ity mpanampy ny mpamily ary nilaza tamin’ny mpandeha fa “500 ariary daholo ny frais fa tsy misy 400 intsony”. Tezitra ity raim-pianakaviana iray raha nandre izany avy dia nampiaka-peo sy nilaza fa “ataovy izay ataon’ialahy fa izaho tsy manana afa-tsy 400 ariary”. Na iza na iza manana ny rariny amin’ny andaniny sy ny ankilany tokony mba hasiana ny fifanajana satria tsy hahavaha olana mihitsy ny fifamaliana imasom-bahoaka sady tsy fahaizana manome lanja ny fiizin’ny tena fa fahafaham-baràka.
Farah
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







