Sambava – Ramatoa maty teny ambony môtô
Ramatoa manodidina ny 40 taona eo antsoina hoe Mbotimeva no maty tampoka teny an-dalana raha hamonjy fodiana iny tany Sambava rehefa avy nitady ravinahitra tany Morafeno Ambaritelo. Tsy fahasalamana no antony nodiany ka izy tratry ny fahafatesana Teny an-dalana izao. Ny zanany sy ny vinantony no naka azy tany ka nitondra azy hanohy ny fitsaboana eo anivon’ny fianakaviana. Tsy tongan’ny fiara anefa ny tanàna nisy azy ireo ka kodiaran-droa no nitondra azy telo mianaka. Nony tonga tao Sambava dia nitolefika izy. Taitra noho izany ny vinantony izay nihazona azy. Kanjo efa tsy misy aina intsony rehefa nojerena. Fanampiana avy amin’ny olona sendra nahita ity tranga ity no nahafahana nanofa fiara nitondrana ny razana tany an-tanindrazany rehefa avy nanaovan’ny mpitandro filaminana sy ny mpiasan’ny fahasalamana fitsirihana.
S.A
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







