Fikambanana Nosy Malagasy – Nitsidika ireo Mpanjaka tany vohipeno
Tonga nitsidika sady nanao fiarahabana nahatratra ny taona ny Mpanjaka Ndrenogny Ramahasitrarivo mivady ny delegasiona avy amin’ny “Vovonana mampiaray”, notarihan’ny filohany Ramaroson Arlette ny faramparan’ny herinandro teo. Nanazava ny momban’ny dingana nataon’ny fikambanana mikasika ny ho fitakiana ny Nosy malagasy, ny fanorenana sy ny fanarenana ny firenena ary nangataka ny fiaraha-miasa amin’ny Raiamandreny ara-drazana amin’ny fanomanana ny « Loabary an-dasy ho fanarenana an’i Madagasikara », ny filohan’ny « Vovonana Mampiray » sady Filohan’ny Association Nosy Malagasy (Anm). “Vonona hifanampy izahay satria sambany teo amin’ny tantara no nisy olom-pirenena tonga nanetritena toy izao teto amin’ny Tranobe ary mibanjina ny tombontsoa ambony ho an’ny firenena. Hanampy antsika i Jesosy” hoy ny Mpanjaka. Fotoam-bavaka ho an’ny firenena no namaranana ny fihaonana. Vory lanona ireo mpiara-miasa amin’ny Mpanjaka mivady nandray ireto delegasionina tonga nanome voninahitra azy ireo.
Nangon’I S.A
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







