Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Mpanakan-dalana 4 voasambotra – Mamaly faty ireo namany

Namaivay tato ho ato ny fanakanan-dalana teny amin’iny lalam-pirenena faha-2 iny. Noho ny faharatsian’ny lalana fa indrindra koa noho ny fitomboan’ny isan’ireo olon-dratsy dia nanjary lasa maro ireo fiara lasibatra. Tsy ny taxiborosy ihany anefa no ataon’izy ireo mahita faisana amin’izany fa na ireo fiara tsotra izany na ireo kamiao dia lasibatra avokoa. Na eo aza anefa ireo mpitandro filaminana izay apetraka eny amin’ireo toerana eritreretina fa mafana dia mbola maro ihany ny tafiditra anaty velam-pandrik’ireo mpanakan-dalana. Tamin’iny herinandro lasa teo iny fotsiny izao dia fiara efa tsy latsaky ny 10 no lasibatra.

Raha ny vaovao voaray mantsy dia mpanakan-dalana efa-dahy no tratran’ny mpitandro filaminana tamin’ny tapa-bolana ka noentina any Toamasina. Rombotra noho izany ireo namany ireo ka lasa tena migafy mihitsy amin’izao. Vokatr’izany dia fiara miisa telo no lasibatra tamin’iny faran’ny herinandro iny. Vato be no entin’ireo olon-dratsy manakan-dalana ary rehefa tsy tafajanona amin’izay ilay fiara dia mipoitra avy any anaty kirihitr’ala ireo namany hafa mitoraka biriky sy vato ilay fiara.

Raha ny vaovao azo avy  amin’ny mpamily iray mantsy dia izy mihitsy no kendren’ireo jiolahy ireo satria rehefa voa izy dia mijanona ho azy ny fiara. « Tsy nampoiziko mihitsy fa tampotampoka teo dia nahare feo nipoaka be avy ao ambany fiara ny tenako hay kay efa vato be no natsipin’izy ireo tao ambany. Tafavily anefa ilay fiara na dia vaky be aza ny kodiarana iray ka teo no nanomboka nitoraka vato ireo jiolahy. Marihina fa maro izy ireo fa tsy roa na telo », hoy ny mpamily iray lasibatra ny sabotsy lasa teo. Manjary lasa mitebiteby noho izany ireo mpitatitra sy ireo mpandeha ary voatery nandray fanapahan-kevitra tena mampihomehy izy ireo. Rehefa alohan’ny hiditra an’i Brickaville dia manao « casque » môtô ny mpamily rehetra ary hidina daholo ny fitaratra. Eo amin’io toerana io mantsy no tena betsaka ireo mpanakan-dalana. Ankoatra izay dia nilaza koa ny sofera fa tsy vahaolana ny « caravanne » mihoatra ny roa fa manjary mora fantatra ny fiavian’ny fiara ary mora ahitana hevitra hanajanonana azy.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre